Laingalainga, tsy misy izay hoe fiatoana sy fitoniana politika amin’izao. Tabataba lalandava. Raha mba hahatsara zavatra sy mahasoa moa ka haninona? Indrindra ho raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka… Hatramin’ izao, tsy miova firy ny fomba politika. Vao mainka miharatsy no ho ny teo aloha aza… Nahoana? Tsy izay hahatsara ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka no tena manetsika sy manesika ny ankamaroan’ny mpanao politika, fa adilahy efa ho lava: fitadiavan-toerana, fanakorontanana… Tsy inona fa fitadiavana sy fiadiana tombontsoa. Mandra-pahoviana?
Misy tonga amin’ny fanaovana hitsin-dalana na tsy fanarahan-dalàna fotsiny izao: fanelezana vaovao tsy marina, fandrahonana amin’itsy na iroa, fanentanana olona hikomy… Ireny fidirana antsokosoko amin’ny fanovana ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni ireny, ohatra. Ho tonga hatraiza? Azo raisina fa tsy mitombina ny hoe tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana. Misy te hiketriketrika tombontsoa manokana amin’izany. Loza iray, loza roa… Nony injay ampiharana lalàna dia lazaina fa politika. Sanatria, fialokalofana amin’ny tsy fanarahan-dalàna sy fanaovan-dratsy ny politika. Tsimatimanota ny mpanao politika?
Tsy mahagaga raha misy ny hoe leo politika. Na tsy to teny ny ankamaroan’ny mpanao politika: tsy inoan-teny, tsy mahatanteraka izay lazainy… Hanao ahoana ny hoavy amin’izany? Eny, na amin’io taona vaovao io ihany aza. Mba hitondra ho amin’ny fihatsarana sy fivoarana ny vokatry ny fifidianana nifanesy? Efa naneho ny safidiny ny vahoaka. Anjaran’ny mpanao politika ny sisa raha misy sy azo antoka fahamarinan-toerana. Arakaraka ny fifandanjan-kery izay, ny tombontsoa iadiana na arovana… Tsy adala ny vahoaka fa mahalala ny ataony sy izay ironany.
R. Nd.