Tsy niandry ela fa avy hatrany dia hanomboka ny taom-pikatrohana 2025, ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball. Anio no hanokatra izany amin’ny fomba ofisialy, eny amin’ny Kianja Itaosy izy ireo, ka hisy ny fifaninanana karakaraina. Hiavaka kely ity fifaninanana ity satria lalao ho an’olon-tokana hanaovana ny “Concours de précision” no hatao, ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona kosa, lalao lalaovin’olona 3 no hifaninana ka “Concours de précision” ihany koa no hitsarana ny mpilalao. Tetikasa efa nanomboka tamin’ny taon-dasa ity notohizana ity, ahitana ny fahaiza-manaon’ny mpilalao tsirairay, araka ny nambaran’ny teknisiana avy eo anivon’ny ligin’Analamangan’ ny volley-ball. Araka ny fandaharam-potoana, filaharan’ireo klioba no hisantarana ny fifaninanana. Hitohy avy hatrany amin’ny lalao. Tsiahivina fa klioba 13 no nisoratra anarana handray anjara amin’ity lalao fanokafana ny taom-pikatrohana 2025 ity. Manodidina ny 200 eo ny mpilalao andrasana, raha ny fanazavana hatrany. Mbola afaka misoratra anarana ho amin’ny anio ireo handray anjara amin’ny lalaon’olon-tokana, sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy.
Raha atao ny jery todika, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy Vétérans, natao tany Manakara no namaranana ny taom-pikatrohana 2024, ho an’ny taranja volley-ball.
Mi.Raz