Ao anatin’ny fampivoarana hatrany ny taranja Escrime sy ny Federasiona malagasin’ny Escrime. Mitohy miaraka amin’ izay koa ny fizaran’ny vahiny manam-pahaizana ny traikefany ho an’ny Malagasy mpiangaly ity taranja ity. Atleta 19 mandrafitra ny ekipa nasionaly no naka traikefa tamin’ilay manam-pahaizana, i Diop Sidy, nandritra ny 7 andro. Fiofanana niompana tamin’ny fampiharana nanomboka ny 16 desambra lasa teo ary nifarana ny herinandro lasa iny, teny amin’ny Makis Andohatapenaka. Nisokatra tamin’ny ligim-paritra telo ity DNSS na “Formation pour le développement et la Performances des athlètes” ity. Atleta 3 avy eto Analamanga, 8 avy any Antsirabe ary 8 avy any Itasy niatrika izany, izay sady mandrafitra ny ekipam-pirenena rahateo.
Tsiahivina fa efa tonga eto Madagasikara, ny volana oktobra lasa teo, ity manam-pahaizana senegaley ity ary nitety faritra nizara traikefa ho fampandrosoana ny taranja Escrime eto Madagasikara. Manamafy ny federasiona fa tena ilaina ny fiofanana toy izao hahafahan’ireo atleta manatsara ny fahaiza-manaony sy mampitombo ny traikefany.
Mi.Raz