FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, fa vita hatreo ny fifanandrinana eo amin’ny Irmar sy ny Tim, taorian’ny voka-pifidianana farany teo iny. “Nahazo ben’ny Tanàna 967 izahay raha 52 kosa ireo avy amin’ny mpanohitra. Fotoana izao hirosoana amin’ny fampandrosoana ny firenena”, hoy izy.

Maro anisa amin’ireo ben’ny Tanàna voafidy amin’ny Irmar ny ao Fianarantsoa, tamin’ny fifidianana farany teo. Miisa 272 izany, raha 183 ho an’ny faritanin’i Toliara. Miisa 159 kosa ny any Toamasina, raha 130 izany ho an’ny faritanin’Antananarivo. Vitsy indrindra kosa ny any amin’ny faritanin’Antsiranana, miisa 84.

Voatendry ho filohan’ny filankevi-pitanta­nan’ny EDBM ny minisitry ny Fizahantany, Ran­driamandranto Joel. Nisolo ny toeran-dRakoto­ma­la­la Lantosoa, voatendry ho masoivohon’i Mada­gasikara any Etazonia. Notanterahina ny herinandro teo, tetsy Antaninarenina, ny famindram-pahefana teo amin’izy roa tonta.

Fanoitra hiadiana amin’ny fahantrana ny fananana tanora nahavita fianarana, araka ny nambaran’ny depioten’Avaradrano, Andriamosa Avotraina, ny zoma teo. “Afaka mitondra ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny tontolo misy azy ny tanora”, hoy izy. Tsiahivina fa niahy ny andiany Amboara ao amin’ny “Université polytechnique d’Avaradrano” ny tenany.

Partager sur: