Nisy namaky ny fasana ilevenan’ny PDSan’Antananarivo teo aloha, Ramanambintana Richard. Teny Tsitakondaza, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe no nisehoan’izany, ny 17 desambra 2024. Tonga nijery izany teny ifotony ny fianakaviana ny 27 desambra 2024 lasa teo.
Tokony efa ho 10 andro mahery no nahavakisan’ity fasana ilevenan’ny PDS-n’ Antananarivo teo aloha, Ramanambintana Richard eny Ankazobe ity, araka ny lohanom-baovao voaray avy any an-toerana. Ny 27 desambra 2024 tolakandro, tonga teny amin’ny fokontany Tsitakondaza, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe toerana misy ny fasana ny fianakavian’Itompokolahy niaraka tamin’ny zandary sy ny solontenam-pokonolona ary ny sefo fokontany nanao ny fitsirihana. Voamarina tokoa ny fisian’ ilay vaky fasana rehefa nosokafana (marihina fa nototofan’ireo mpamaky ihany io fasana io) teo imason’ny fianakaviany izany. Ny rakibatera havanana anefa no nosokafany sy nidiran’ireo mpamaky fasana. Ny varavarana lehibe tao anatiny kosa, tsy voasokatra rehefa nohamarinin’ny solontenan’ny tompom-pasana.
Tsy misy olona ahiahina…
Noho izany, tsy nisy zavatra na razana very lasan’ireo mpamaky fasana tamin’ny fotoana namakiany ny fasana. Tsy nisy tafatsofoka tao anaty fasana araka izany ireo olon-dratsy. Nandray fepetra avy hatrany ny fianakaviany niaraka tamin’ny sefo fokontany fa nohamafisina tamin’ny alalan’ny fandrakofana béton armé ny rakibatera mba hanamafisana ny hidim-pasana. Nangataka fiaraha-miasa amin’ ireo fokonolona eny ifotony sy ny zandary ny fianakaviany mba hiambina sy hanao fisafoana eny amin’ny manodidina ny fasana. Hatreto, tsy mbola nisy olona ahiahin’ny fianakaviana ho tompon’antoka amin’izao raharaha izao. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana ataon’ny zandary ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Fihaonana. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.
Jean Claude