Karate-2025: Fifaninanana iraisam-pirenena maro no miandry ny federasionina

Ankoatra ny fampivondronana izay hitsongana ny handrafitra ny ekipam-pirenena, eo amin’ny taranja karate, efa miomana sahady amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena ny Federasionin’ny karate-do malagasy (FKM). Maromaro ireo fandaharam-potoana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena miandry azy ireo, amin’ iny taona 2025 iny. Anisan’ izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior, Senior, hatao ny 21 hatramin’ny 27 jolay, any Nigéria. Manaraka izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Paris, ny 17 hatramin’ny 29 oktobra ny dingana voalohany ary any Egypte kosa ny dingana famaranana, ny 27 hatramin’ny 30 novambra. Eo anelanelan’izay, hisy ireo fifaninanana toy ny Karate 1a “Pre­mier Ligue”, ny “Youth Camp”, ny “Karate 1 Serie 1” sy ny maro hafa. Fanirian’ny federasiona ny handefa atleta mala­gasy hifaninana amin’ ireo.
Ho an’ny eto an-toerana kosa, aorian’ny fampivondronana voalohany, ny volana janoary izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy, no hisantarana ny fifaninanana amin’iny taona ho avy iny. Ny 28 febroary hatramin’ny 3 marsa no hanaovana izany eto Antananarivo. Hizara roa kosa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ka hatao any Antsiranana, ny 30 oktobra hatramin’ny 2 novambra, ny fifaninanana ho an’ olon-tokana. Any Antsirabe kosa no hanaovana ny fifaninanana ho an’ny ekipa, ny 19 hatramin’ny 21 desambra.
Tsy miova kosa ireo fifa­ninanana hafa fanaon’ny fe­derasiona hiaraha-misalahy amin’ny ligy, toy ny “Samy Jao”, ny “Challenge de Betsileo” sy ny maro hafa. Hisy hatrany koa ny fanadi­nana sy fampiakarana grady ho an’ny mpanazatra sy ny mpitsara.

Mi.Raz

Partager sur: