« Les noces de l’agneau » : Hipoka ny Palais des sports  Mahamasina

Hetsika kolontsaina sy finoana nahasarika olona marobe ilay « comédie musicale » notanterahin’ny Cevam tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Maha­masina, ny faran’ny herinandro teo. « Les noces de l’agneau », lohatenin’ny tantara nolalaovina teny an-tsehatra. Tafiditra ao anatin’ny fizarana fahatelo amin’ny « Maman, j’ai raté l’enlèvement III». Tamin’ny ankapobeny, nampiavaka ny filalaovana ity tantara ity ny fampiasana fitaovana avo lenta hoenti-mampita ny hafatra tian’ny vontoatin’ny tantara hiantefa any amin’ny mpijery. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana rahateo ny fiderana sy fiankohofana ho an’ny taona vaovao 2025. Marihina fa notakarina avy ao amin’ny Baiboly ity tantara ity. Fantatra fa mbola hisy ny fizarana fahefatra.
Ankoatra ny herin’ny finoana an’Andriamanitra voarakitry ny tantara, nahazo vahana tao anatin’ny seho ny fikajiana fatratra ny maha zavakanto ny tolotra nomen’ny mpiantsehatra. Nisongadina fa tsara ny fiomanana nialoha ny fampisehoana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: