Mpanondrana harem-pirenena : Hitory sy mangataka sazy henjana ny minisitera

Mitaky ny hampiharana ny sazy henjana amin’ireo mpanondrana ny harena voajanahary ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd). Tsy handefitra amin’ireo minia mandika lalàna ny fitondram-panjakana.

«Tsy misy fandeferana ho an’ireo rehetra tafiditra anatin’ny fanararaotana ny harem-pirenena», hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, i Max Fontaine, tamin’ny lahateniny mahakasika ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary. Nametraka fitoriana, hoy izy, ny minisitera ka mangataka ny hampiharana sazy hentitra ho an’ireo voasaringotra rehetra, na olon-tsotra na manam-pahefana.
Hisy ny fanadihadiana lalina hamongorana tanteraka ireo mpanao trafika sy ireo rehetra ao anatiny ary ny mpamatsy izany. Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoana mampirongatra ny fanondranana ny ha­rem-pirenena isika izao saingy manara-maso tanteraka izany ireo tomponandraikitra samihafa hisorohana ny fanararaotana. Tra-tehaky ny zandary tao Mahajanga, ny zoma teo, ilay teratany tanzanianina saika hanondrana sokatra “Radiata” miisa 800. Nano­kafana fanadihadiana izy ka hatolotra ny fampanoavana aorian’izay. Ankoatra izany, tratra tao amin’ny fokontany Vohimena, kaominina Ma­rovato, distrika Tsihombe, ny lehilahy iray niaraka tamina gony misy zana-tsokatra miisa 68. Voa­sambotra taorian’ny fisafoana nataon’ireo mpitantana ny valanjavaboary Cap Sainte Marie, avy amin’ny Mada­gascar National Park ity voalaza ho olon-dratsy ity ka notanana sy hanaovana famotorana.
Tolérance zéro

Manamafy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd) fa tsy handefitra amin’ireo minia manondrana sy manao tantely afa-drakotra ny harena voajanahary. Mitovy hevitra sy mangataka ny hampiharana ny sazy henjana amin’ireo mpanararaotra ny harem-pirenena ihany koa ny firaisa­monim-pirenena. Tsia­hivina, “tafakatra hatrany amin’ny 2 499 ireo sokatra tratra saika hamidy na haondrana any ivelany”, hoy ny Medd. Tafiditra ao anatin’izany ireo tratra teny Ambohibao Ante­hiroka, nahavoatonona olom-boafidy iray avy ao Soavinan­driana. Ity farany izay nidoboka vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy miaraka amin’ireo namany, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.

Henintsoa Hani

Partager sur: