Vatana mangatsiaka an’ilay zaza efa tsy nisy aina intsony, hitan’ny fokonolona tao Beharefo, kaominina Mandrosonoro, distrikan’Ambatofinandrahana, omaly. Nitrangana fakana an-keriny tao amina tanàna iray 5 km miala an’io toerana io, ny alin’ny zoma 27 desambra teo tamin’ny 7 ora sy sasany. Nalain’ny mpaka an-keriny ho takalonaina ny zaza vao efatra taona monja. Nentin’izy ireo nandositra niala ny ray aman-dreniny io zaza io. Nampandre ny mpitandro filaminana sy ny manam-pahefana ao an-toerana ny fianakavian’ny lasibatra. Nikaroka sy nanara-dia ny nahavanon-doza ny vatan-dehilahy sasantsasany. Nitohy ny sabotsy 28 desambra lasa teo ny fikarohana ny toerana nisy ireo mpaka an-keriny sy ilay zaza vao efa-taona monja. Omaly maraina, hitan’ny olon-tsotra nitsirara amin’ny tany sady nianjaka io zaza io. Nigadona teny an-toerana ny mpitsabo anivon’ny CSB II Mandrosonoro nanao ny fizahana. Voamarina fa tomombana ary tsy nisy nesorina tamin’ilay zaza ny taova teo aminy. Tsy niharan’ny fanolanana koa, izy. Vono olona tsotra izao hatreto no heverin’ny mpanao fanadihadiana ho nahafaty azy. Karohina ny nahavanon-doza.
Tsiferana R.