Seranana Ivato : Enin-dahy naiditra am-ponja

Mpandika lalàna eny amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, enina mirahalahy naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, ny zoma 27 de­sambra teo. Mibatabata en­tan’ireo mpandeha eny an-toerana ireto vatan-dehilahy ireto. Tsy vitan’ny maka an-keriny sy tsy misy fierana amin’ ny tompon’entana, simba noho ny tsy fitandreman’ireo lehilahy ireo ny ankamaroan’ny zava-tsarobidy anatin’ny valizy sy sakaosin’ny mpandeha. Iha­ran’ny halatra mihitsy aza ny ampahany amin’ny entana sasantsasany. Manararaotra mitaky vola amin’ireo voakasika anefa ireo lehilahy ireo. Voa­ka­siky ny fahazaran-dratsin’ireo lehilahy ny ankamaroan’ny mpandeha ho any ivelany sy ireo vao tonga eto Mada­gasi­kara. Nanao hetsika manokana hanatrarana ireo voarohirohy, taorian’ny fitarainana miseholany voarainy ny zandarimaria miasa eo anivon’ny Seranana iraisam-pirenena Ivato. Vo­kany, voasambotra ireo enin-dahy samy mpanao io fihetsika tsy mendrika sy mifanohitra amin’ny fitsipika mipetraka ao an-toerana io. Niaiky ny helony, nentina natao famotorana la­lina izy ireo, ka notanana vonjimaika any am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: