Fanomezan-danja ny filatroana. Tontosa tany amin’ny zaridaina Manakara be, omaly, ny filatroana nampisehoana ireo akanjo fitafy. Nanomboka tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fotoana, niarahana tamin’ireo mpankafy haitafy maro. Ankoatra ny filatroana, nahitana hetsika ara-kolontsaina maro samihafa ihany koa tany an-toerana, toy ny fampirantiana ireo karazana asa tanana amin’ny endriny isan-karazany. Hetsika niarahana tamin’ny E-vanga Raha Chic Art.
Nodimandry teo amin’ny faha-77 taonany Raharidialimalala Chantal, mpihira tao amin’ny tarika Charly Rakotoarimanga. Anisan’ny hira nampakaza azy ny «Tsy anjarako ianao». Manana feo kanto sy mifanaraka tsara amin’ny gadon-kiran’ity tarika ity izy, raha ny filazan’ireo mpahay mozika sy ireo namany akaiky.
Mamarana ny taona amin’ny alalan’ny tetikasa fanontana Diary Nofy ny ONG Teach for Madagascar. Hetsika hanentanana ny ankizy ho tia mamaky boky. Natomboka tamin’ny volana septambra 2019 ny tetikasa. Tamin’ity taona 2024 ity, nahatratra 60 000 ny fitambaran’ireo boky natonta sy natao pirinty tamin’ny teny malagasy sy frantsay ary anglisy. Nozaraina maimaimpoana tamin’ireo sekoly fanabeazana fototra (EPP) an’arivony manerana ny faritra 23, ireo boky ireo.
Famaranana ny taona 2024. Efa eo am-panomanana tanteraka ny fety famaranana ny faran’ny taona sy hidirana amin’ny voalohan’ny taona ny ankamaroan’ny olona. Maro amin’ny vahoaka malagasy ny tia mifety any amin’ny trano fanaovana lanonana, izay hafanain’ny mpanakanto isan-tsokajiny. Hifarana, anio, avokoa ny ankamaroan’ny fisoratana anarana ho an’ireo olona ho avy hanatrika izany.