Tanterahina ao Toliara, tanànan’ny masoandro, ny 17 ka hatramin’ny 19 avrily 2025, ny fivoriam-ben’ny tanora afrikanina ho an’ny toekarena manga na ny “Forum des jeunes africains sur l’économie bleue” (FJEB). Nisy ny fivoriana savaranonando ho fampahafantarana sy fanentanana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanomanana sy fanatanterahana izany, ny herinandro teo. Hetsika niarahana tamin’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, sy ireo tomponandraikitra avy any ivelany, tamin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra. Voaresaka, nandritra izany, ny fitaterana ana habakabaka ireo tanora 300 avy any ivelany, ny fitaterana an-tanety, ny fampiantranoana sy fampisakafoana azy ireo ary ny efitrano sy ny toerana malalaka hivoriana. Vonona sy nandroso soso-kevitra hanatrarana ny tanjona napetraka ny mpisehatra samihafa. Mbola hisy koa ny fivoriana voalohany iarahana amin’ireo talem-paritra rehetra ao an-toerana, ny 7 janoary 2025. Aorian’izay kosa ny fivoriana iarahana amin’ireo mpisehatra ao amin’ny toekarena manga any an-toerana. Mpisehatra miisa 500 no antenaina ho avy amin’ity fihaonam-be faharoa taorian’ny Lomé ity, ny 300 amin’izany no avy any ivelany.
Henintsoa H.