Tontolo ambanivohitra : Miha simba ny kolontsaina

Toerana na faritra iray anisan’ny hitodihana manokana ny eny ambanivohitra raha tia hahazo faka ny fiverenana ifotony. Nahitana fiovana lehibe anefa izany tao anatin’ny folo taona farany. Namotsotra ny maha izy azy (teny, tany, fomba, fady, fahalalana…) efa teo an-tanany ny mponina eny ambanivohitra.
Ny firaisankina, tsy tazana loatra intsony raha tsy tambazana vola. Ireo raiamandreny mpananatra, zary mialangalana sy tsy afa-miteny, satria, tonga mitsidika sy mametraka ny voarambin’ny tanany ny mpanam-bola. Ny fampitam-pahalalana sy ny fomba amam-panao, tsy efan’ny ray aman-dreny niteraka intsony manoloana ny haitraitran’ny zanaka…
Mila mitandrina fatratra
Vokatr’io fahasimbana any ambanivohitra io, mila mitandrina fatratra ny amin’ny fanatanterahana ny fiverenana any ifotony. Lehibe indrindra amin’izany ny tontolon’ny finoana sy ny fahalalana. Mihanaka be any ambanivohitra, ohatra, ny karazam-pinoana sy fivavahana isan-karazany. Nanaraka izany fizarazarana izany ny mpiara-monina. Raha io tranga io no iaingana, maro ny « zavatra » ho diso. Tsy azo antoka ny fakan-kevitra eny amin’ny tontolo ambanivohitra raha ho an’ny fiverenana any amin’ny fototra? Ny an-dRenivohitra, anefa, efa ela no nampiahiahy.
Tranga anisan’ny miteraka fisalasalana ho an’ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao. Ny an’iza no marina? Rehefa tsy ahitam-baliny io, roso hanaraka an­jambany ny ataon’ny « sasany » izy!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: