Valan-javaboahary Ranomafana: May ny velaran-tany manodidina ny 20 ha

Nitrangana fahamaizana goavana tao amin’ny valan-javaboahary (Parc national) Ranomafana, teo amin’ny 3 km atsimo atsinanan’ny tanàn’Ambohitanimena, kaominina Ambalakindresy, distrika Ifanadina. Manodidina ny 20 ha eo ny velaran-tany may, tranga niseho nanomboka ny 26 desambra teo. Tsy fanta-piaviana ny afo saingy nifarimbona namono izany ireo miaramila miisa sivy avy ao amin’ny Détachements spécials de sécurité (DSS) sy ny fokonolona avy ao an-toerana. Ni­paritaka ny afo ka tsy voafehy raha tsy ny sabotsy maraina teo ary levona tanteraka izany ny harivan’io. Mbola mitohy ny fisafoana ataon’ireo miaramila manodidina ny faritra nisehoan’ny loza hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny afo tampoka sy ny mety ho fanararaotan’ireo olon-dratsy. Marihina fa miantoka ny famokarana ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara ny tontolo iainana. Saingy mbola mijanona ho kolontsain’ny Malagasy ny famotehana izany ka mampitotongana ny fampandrosoana, antony mahatonga antsika voatery manafatra entana any ivelany, mampahantra ny firenena. Antony koa mbola mampiakatra ny taham-panafarana entana ataon’i Madagasikara, raha oharina amin’ny fanondranana izany. Mandrora miantsilany ny Malagasy fa tsy mitsinjo akory ny taranaka any aoriana.

Henintsoa H.

Partager sur: