VAOVAO TAMBATRA

Ho tonga ao Toamasina, ny 31 desambra sy ny 01 janoary, ny sambo lehibe “Peaceboat voyages”. Mpandeha miisa 1 800 no hitsidika ireo toerana mampiavaka ny faritra, anisan’izany ny valan-javaboahary ao Ivoloina sy ny toerana mahafinaritra ao Tapakala.

Hanavao ny tahirin-kevitra ananany ny orinasa Jirama mba hahafahany mandefa ny faktiora sy ny vaovao hafa mifanaraka amin’izany. Manasa ny mpanjifa izy hampita ny mombamomba azy, toy ny adiresy mailaka sy ny laharana finday, mba hahafahana misitraka izany.

Maherin’ny 6,7 miliara ny famatsiam-bola nataon’ny fandaharanasa Fihariana ho an’ireo mpandraharaha, teo anelanelan’ny volana oktobra sy no­vambra 2024. Hetsika tarihin’ny filoham-pirenena ho fampiroboroboana ny fandraharahana eto Mada­gasikara.

Nisitraka masomboly ho an’ny taom-pambolena 2024-2025 ireo tantsaha 250 misehatra amin’ny fihariana vary an-drano avy ao amin’ny kaominina Marotsiraka, distrikan’Amboasary Atsimo. Masomboly 2 250 kg, zezika NPK 3 750kg ary zezika biolojika 18 750 kg no nozaraina tamin’izany.

Partager sur: