Adiny roa nifampitadiavana: Mpianaka niara-maty natelin’ny rano

Niara-namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy vokatry ny ora-nikija tao Fenoarivobe, omaly maraina. Nentin’ny rano izy mianaka.

Ora iray taorian’ny nahalasa ny rano azy, hitan’ ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny vatana mangatsiakan’ny renim-pianakaviana iray, 34 taona, nentin’ny rano tampoka, tao Ambo­hi­manatrika, fokontany Ankadi­be­vava, kaominina Fenoarivo­be, omaly. Natsin­ge­van’ny rano adiny iray taorian’io, hita koa ny zanany lahy vao 13 taona monja. Miaina ambanivohitra, niala maraina izy mianaka ireo. Tsy nanampo ny fiakaran’ny rano nateraky ny ora-nikija anefa izy ireo. Nandalo ny lalana fampiasany andavanandro, nentin’ny rano tampoka izy mianaka vao mangiran-dratsy tamin’ny 4 ora. Nampandre ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra ao an-toerana ny fianakavian’ny lasibatra. Nifampitadiavana ireo mpianaka natelin’ny rano.

Nivoa-dra

Mbola tao anatin’ny haizina, nananosarotra ho an’ireo fianakaviany ny fikarohana azy mianaka tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Ora iray taorian’io, nanomboka nazava ny andro sady nifanome tanana ny mpiara-monina eo anivon’ny fokontany Ankadibe­vava. Nadonadonan’ny rano tamin’ny morona, naratra ary nivoa-dra ny oron’ilay renim-pianakaviana tamin’ny fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany. Ankoatra azy, naratra mafy koa, ny lohan’ilay zanany ka heverina ho antony nitarika ny fahafate­san’izy mianaka. Manoloana izao tranga izao, manentana ireo mponina na ambanivohitra, na an-dRenivohitra ny zandarimaria mba hitandrina hatrany manoloana ny fiakaran’ny rano rehefa vanim-potoana fahavaratra tahaka izao.

Tsiferana R.

Partager sur: