Araka ny rotsakorana voarefy tamin’ny zanabolana, saika ny ilany andrefan’ Alaotra no nahazo rotsakorana, ny alahady teo. Niendrika tandrifin-drahona mitsitokotoko sy manify izany ho an’ny ilany Atsinanana sy tao Mangoro. Tombanana ho nanodidina ny 25-30mm teo ho eo ny tahan’ny rotsakorana tao anatin’ny 24 ora, ho an’ny distrikan’Amparafaravola, hoy ny sampandraharaham-paritry ny Foibe famantarana ny toetry ny andro Alaotra Mangoro. Hatreto, manodidina ny 20% ny rotsakorana tokony ho azo mandritra ny volana desambra no voarefy ho an’ny distrikan’Amparafaravola sy Andilamena. Mbola manodidina ny 1-2% kosa izany ho an’ny distrikan’Ambatondrazaka. Latsaka noho ny tokony ho izy, araka izany, ny tahan’ny rotsakorana desambra 2024 ho an’ny faritra Alaotra Mangoro.
Vinavinaina fa hiverina ho maina tsikelikely ny andro hatramin’ny 10 janoary 2025. Mety mbola hisy kosa ny orana tandrifin-drahona mitsitokotoko, rahampitso. Ho maina amin’ny ankapobeny ny fetin’ny taom-baovao 2025 sy ny sasakalina.
Ho kely na ho latsaka noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, mandritra ny vanim-potoan’ny ati-fahavaratra (desambra, janoary ary febroary) ho an’ny taona 2024-2025. Hamafisina, hoy ny teknisianina, fa ahina ny haintany noho ny mety tsy ho fahampian’ny rotsakorana. Voalaza fa mbola latsaky ny 10% ny tahan’ny hamandoan’ny tany any amin’ny 40cm ambany any, ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro, ihany.
Vonjy