Nosamborin’ny zandary nanao fisafoana ny lehilahy nisandoka ho inspektera, teny Andoharanofotsy, ny 28 desambra teo. Nitaky vola amin’ ireo taxi-be mpitatitra eny an-toerana io mpisoloky io. Nandalo nanao ny asany, tsikaritry ny mpitandro filaminana ny fihetsika mampiahiahy ataon’io lehilahy io. Voatery nanamarina ny tena anton’asan’ilay voalaza fa mampiahiahy, araka izany, izy ireo. Nitaky vola tamin’ny mpamily taxi-be teny amin’ny fiantsonana rahateo ilay lehilahy. Nitonona ho inspektera eo anivon’ny polisim-pirenena tamin’ny fotoana nanadihadian’ny zandary azy izy. Tsy nety nilaza ny toeram-piasany mazava anefa ity farany. Niditra lalindalina tamin’ny alalan’ny famotopotorana io mpisoloky io ny zandary. Maro ireo mpamily sy olon-tsotra efa voasolokiny ka nentina nihazo ny biraon’ny zandary izy.
Nitonon-tena
Tafiditra tao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, tsikaritry ny iray tamin’ireo zandary miasa ao an-toerana fa efa nandalo teo anatrehan’izy ireo io lehilahy io, ny volana septambra 2024. Nitonon-tena ho lietnà miasa eo anivon’ny Primatiora izy tamin’ io fotoana io. Niaiky heloka, nosavaina ny trano fonenany ka nahatrarana fanamiana sy galona fampiasan’ny mpitandro filaminana. Tsy polisy sady tsy zandary, noho izany, ity voasambotra ity fa nisoloky tsotra izao. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.
Tsiferana R.