Niantso ny mpitandro filaminana hijoro fa tsy hataon’ny mpitondra fitaovana ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Ny Riana, raha nivahiny tamin’ny fahitalavitra iray. “Miantso ny feon’ny fieritreretanareo izahay. Mitodia amin’ny vahoaka sy ny fananany ary aza manaiky hataon’olom-bitsy fitaovana hiaro ny tombontsoany manokana”, hoy izy.
Nanokatra ny fankalazana ny taon-jobily ny eo anivon’ny fiangonana Katolika ny alahady teo. Notanterahina teny Andohalo izany ho an’ny diosezin’ Antananarivo. Efa nialohavan’ny fanokafan’ny papa Fransoa ny varavaran’ny bazilikan’i Md Piera any Vatikana izany, ny 24 desambra teo. Taon-jobilin’ny famonjen’ Andriamanitra ho an’ny olombelona izao natao izao.
Samy nahatafiditra ben’ny Tanàna maromaro eny amin’ny distrikan’Atsimondrano ny avy amin’ny antokon’ny fitondrana sy ny mpanohitra. Miisa 12 ireo toerana azon’ny Irmar raha miisa 10 kosa izany ho an’ny Tim, araka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni farany teo. Miisa 4 kosa izany ho an’ny mahaleo tena.
Miantso fihaonambem-pirenena noho ny fanahiana ny hipoahan’ny krizy ny eo anivon’ny Randrana sendikaly. “Manahy mafy izahay satria ho voa mafy ny mpiasa raha tonga amin’izany krizy izany isika ka ilaina ny fifanarahana politika”, hoy izy ireo. Nanterin’ireto sendikà ireto fa ilaina ny fandraisan’anjaran’ny rehetra izany.