Mitohy ny tsena eto an-dRenivohitra, iray andro mialoha ny fiafaran’ny taona, maresaka ny tsenam-pokontany sy ny tsena mahazatra. Tomefy olona avokoa ny toeram-pivarotana misokatra hatramin’ny anio hariva. Misy ireo mbola hivarotra ny alarobia ho avy izao noho ny fitadiavana. Ny akanjo sy kiraro ary poketra no be mpanjifa hiatrehana ny lanonana hiandrasana ny taona vaovao. Feno mpivarotra ny toerana malalaka rehetra ka sahirana ny mpampiasa lalana, na ny fiara na ny olona, indrindra ny eny Behoririka, Analakely, Andravoahangy. Miteraka fitohanana lavareny ny fahamaroan’ny olona mifanaretsaka sy ny ranobe eny amin’ny arabe.
Tsy mandeha ny varotra amin’ny andavanandro ka ny faran’ny taona tahaka izao vao manararaotra miasa. Ho an’ireo manofa trano hiasana no tena mavesatra. Mitaraina ireo mpivarotra akanjo vita zaitra eto an-toerana sy ireo manafatra avy any ivelany fa simban’ny lamba tonta nafarana (friperie) ny tsena. Tsy mitovy koa ny fandaniana satria tsy mandoa hetra sy hofan-trano ny tsenan’ny friperie fa rehefa misy toerana kely azo hamelarana entana dia ampy.
Vonjy