Samy nanao antso avo amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Henjehina ireo nihoa-pefy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna teo iny, araka ny fitakian’izy ireo.
Anisan’ny efa nitaky izany ny eo anivon’ny KMF/ Cnoe sy ny avy amin’ny Safidy tamin’ireo fanambarana nataon’izy ireo farany. Na izany aza, nohamafisin’izy ireo fa tokony hisy porofo mazava sy mitombina ireo fitoriana momba izany tsy fanaraha-dalàna niseho izany. Tsy nijanona eo anefa ny fitakian’izy ireo. “Tokony hamarinina tsara ireo voka-pifidianana fa tsy hijery fotsiny ny fitanana an-tsoratra (PV) ny eo anivon’ny Taf “, hoy hatrany ireto avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ireto. Tahaka izany koa ny hanenjehana ireo hita porofo fa nanao ny tsy ara-dalàna tamin’iny fifidianana iny. Hampiharina ny fepetra famaizana ary hoentina eny amin’ny fampanoavana ny raharaha ho an’ireo voasaringotra amin’izany, araka ny nambaran’izy ireo. “Mba hananantsika voka-pifidianana mifanaraka amin’ ny tena safidim-bahoaka sy eken’ny rehetra ary koa hitondra fitoniana izany”, hoy ireto fiarahamonim-pirenena ireto.
Tokony hivoaka ny 19 janoary ny voka-pifidianana
Etsy andaniny, niantso ny kandidà ny eo anivon’ny Transparency International – MG tamin’ny fanambarany farany ny hamoahan’izy ireo ny isam-batony avy, isaky ny kaominina koa. “Tokony hampahafantarina ampahibemaso izany… Ny fahamarinana ihany no ahafahantsika mamerina indray ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny fifidianana. Hisorohana koa ny krizy mety hiseho izany”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa tokony hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy ny 19 janoary izao ny eo anivon’ny Taf, ho an’ny faritanin’Antananarivo, taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika. Voalazan’ ny lalàna fa tokony ho 30 andro aorian’ny nivoahan’izany ny fampahafantarana ny voka-pifidianana eo anivon’ny Taf.
Synèse R.