Laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny hampiroborobo ny sehatry ny fitaterana. Hisy, araka izany, ny tetikasa hanaovana lalamby vaovao ho an’ny taona 2025. Tanjona ny hampanjary ny toekarena amin’ny alalan’ny fampivoarana ny sehatry ny fitaterana an-dalamby. Ny herinandro teo, nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny sampandraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) sy ny orinasa Madarail ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery. Voaresaka manokana ny tontolon’ny fitaterana an-dalamby, ny antsipirian’ny lalamby vaovao hatao sy ny mety ho fiantraikany amin’ny tambajotram-pitaterana efa misy. « Zava-dehibe ny hetsika toy izao hanatsarana ny fifandraisana sy hanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena », hoy ireo mpandray anjara. Tsy voafetra amin’ny famoronana zotra vaovao ny fampandrosoana ny fitaterana an-dalamby. Tanjona ny hampihenana maherin’ny 50% ny lozam-pifamoivoizana amin’ny taona 2030. Fanamby goavana apetraky ny ATT ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana an-tanety amin’ny alalan’ny hetsika isan-karazany.
Henintsoa H.