Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, tamin’ny fananganan-tsaina, omaly, teny Antanimora ny hanovana ny fomba fiasa. Miandrandra fomba fiasa vaovao, fomba fijery vaovao ny tenany amin’io taona vaovao ho avy io, araka ny nambarany tamin’ny lahateniny. Nanteriny ihany koa fa tokony ho tatitra tsara hatrany no hiseho sy ho hitany momba ny fandraharahana ny fonja, manoloana ny vahoaka malagasy sy ny fitondram-panjakana. Nanafatrafarany ireo tomponandraikitra samihafa eo anivon’ny fiadidiana ny fonja izany. “Tokony hanaovana fanamafisana tsara koa ny fiambenana amin’izao andro fety izao”, hoy izy.
Nialoha izany, nifantoka tanteraka tamin’ny fisaorana ny mpiara-miasa rehetra, indrindra ny mpandraharahan’ny fonja, ny mpirakidraharaha, ny mpitsara, ny tenany tamin’ireo ezaka lehibe nandritra ity taona 2024 ity. “Eo koa ireo zava-bita rehetra niarahantsika nanao”, hoy izy. Nisaorany ny filohan’ny Repoblika tamin’ireo fanorenana fotodrafitrasa rehetra sy ireo fampitaovana. Anisan’ izany ny fiara vaovao ho an’ny minisiteran’ny Fitsarana, natao ho an’ny fandraharahana ny fonja. Eo koa ny fanamboarana ny fonja manara-penitra ka anisan’ny nisitraka izany vao tsy ela izay ny eny amin’ny distrikan’Avaradrano, mba hampihenana ireo voafonja voatazona eny Antanimora.
Tsiahivina fa eo hatrany ny mpiandry raharaha amin’ny fotoam-pialantsasatry ny mpitsara sy ny fitsarana amin’izao fotoana izao.
Synèse R.