Nozaraina ny tambin-karama tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE tao amin’ny Cisco Fandriana. Vita koa ny fiofanana ho an’ireo mpampianatra mitazona kilasy T4, T5 sy ireo mpampianatra mitazona kilasy T1, T2, T3. Nitohy ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpampianatra tsirairay ka tao amin’ny Zap Sahamadio sy ny Milamaina avy eo nitohy tamin’ireo Zap rehetra tao anatin’ny Cisco izany.
Nahazo ny anjara « caisse école FCE » ireo CEG miisa 64 ao anatin’ny Cisco Moramanga. Nandray fiantoham-panampiana koa ireo mpanabe 40 eo anivon’ireo akany Fibeazana ao an-toerana. Ankoatra izay, nisitraka ny vola fampandehanan-draharahan-tsekoly ireo EPP miisa 363 ao an-toerana.
Nanatanteraka fizaham-pahasalamana faobe ho an’ ireo mpiasa rehetra ny eo anivon’ny Apipa hitsinjovana ny maha olona. Ny fitiliana diabeta sy tosidra no notanterahina nandritra izany.
Ho an’ny olona avy amin’ny faritra samihafa mandalo eto Antananarivo, afaka mivantana eny amin’ny Centre communautaire Fimibeama, kaominina Alasora, izy ireo. Tsy mandoa vola na hofan-trano fa ny lamba no tsy maintsy hoentina satria mangatsiaka aty Antananarivo. Natokana ho an’ny vahiny tsy misy hivantanana ny tolotra.