Mitaiza sy manabe ny kabary amin’ny maha literatiora azy. Anisan’ny mitana ny maha izy azy ny teny malagasy ity lahabolana ity. Tsy izany ihany fa tokony hahafehy azy ny rehetra ho fisitrahana ny tombontsoa entiny.
Tanterahina isaky ny sabotsy, eny amin’ny efitrano malalaky ny boriborintany voalohany, fahatelo, fahefatra ary fahadimy, eto Antananatrivo Renivohitra, ny fampianarana kabary. Ny fikambanana Manda mpikabary no miantsoroka izany. Fiaraha-miasan’ny fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no ahatontosana ny fampianarana. Ho hita, mandritra izany, ny fampahafantarana ny fototry ny kabary. Eo koa ny karazany sy ny fomba fanatanterahana azy avy. Tanjona ny hahafantarana sy hahaizan’ny Malagasy, indrindra ny tanora, ny kabary amin’ny maha vakoka sy kolontsaina azy.
Zava-dehibe ny fahafantarana sy fahafehezana ny kabary amin’ny maha vakoka azy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Mitaiza ny saina ihany koa izy ity amin’ny maha kolontsaina azy. Hita ao anatin’izany mantsy ny fahaizana miteny imason’olona. Eo koa ireo hainteny sy ohabolana na lahabolana malagasy isan-karazany. Fomba mampiavaka ny fotoan-dehibe iray ny kabary ary manome hasina ny olona manatrika sy ny mpanao azy mandritra izany fotoana izany.
Mihavery
Hita ny firoboroboan’ny fampianarana kabary eny rehetra eny, ankehitriny. Manao izany avokoa ny eny anivon’ny sekoly, fiangonana ary fikambanana maro. Vitsy amin’izy ireny anefa no tena mampianatra tanteraka azy ity fa saika manao tsianjery fotsiny ihany ny mpianatra mivoaka amin’izy ireny. Lasa mirona amin’ny kabary hatsikana ihany koa ny ankamaroan’ny mpikabary, ankehitriny, izany hoe, ny hampihomehy ny olona no tanjona ka very ilay maha izy ny kabary.
Lin