Fanapahan-kevitra lehibe avy any amin’ny fanjakana foibe ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara. Anisan’ny hisitraka ny tombontsoa haterany ny kaominina an-dRenivohitra Toliara.
Nanamafy ny ben’ny Tanàna Toliara (CUT), Dédé Vita Sidison, fa anisan’ireo kaominina miisa dimy hanokafana indray ny Base Toliara ny ao Toliara an-tampon-tanàna. Azony antoka fa hisitraka ny tombontsoa ateraky ny tetikasa, satria tena hitondra fampandrosoana any an-toerana. Efa hita izany teo aloha, toy ny nanomezan’ity orinasa ity fiarabe itaterana fako ho an’ny tanànan’i Toliara. Nomarihiny, hahakasika sehatra maro ny fisiany, ho maro ny sokajin’asa hiforona raha tarafina ny bokin’andraikitra mahakasika azy.
Nilaza ny tale kabinetran’ny Kaominina ambonivohitra Toliara (CUT), Ratovomanantsoa Iadanako, sady olobe ny foko Masikoro, fa hampiakatra ny fari-piainan’ny mponina ny any Atsimo Andrefana ity tetikasa mitrandraka harena an-kibon’ny tany ity. Tsy tokony hanana ahiahy ny mponina, satria samy resy lahatra ny rehetra fa hitondra fampandrosoana ny tetikasa matoa nanokatra azy indray ny fanjakana foibe. Hisy tetibola manokana ho an’ny sosialy, toy ny fanabeazana, ny fahasalamana…, ny fambolena, ny fiompiana, sns. “Hampiroborobo ny toekarena aty an-toerana ny tetikasa, sady hampidi-bola ny fanjakana hanatsara ny toekaren’ny firenena ankapobeny”, hoy izy.
Asa mivantana sy ankolaka
Nomarihin’ny talen’ny kabinetra ny CUT, fa « manampy ireo olona hiasa mivantana ao amin’ny orinasa, ho marobe koa ny asa hafa hiforona na asa ankolaka. Toy ny manana fifampiraharahana ara-barotra amin’ny orinasa, ny asa fihariana ateraky ny fisian’ny orinasa, sns ».
Ho an’ny ben’ny Tanàna, Dédé Vita Sidison, « hahazo fiofanana ny tanora eto an-toerana. Hampandroso ny tanànan’i Toliara ny fidiran’ny haba sy ny tamberim-bidy ho an’ny kaominina. Fangatahanay ny handrotsahan’ny fanjakana foibe izany aty amin’ny kitapombolan’ny tena tokony hisitraka azy ».
Njaka Andriantefiarinesy