Na ahoana na ahoana, lasa ny lasa ary tsy hiverina na azo averina intsony. Fahatsiarovana no sisa? Nefa lazain’ny mpandinika sasany ho mamy mangidy hatrany ny fahatsiarovana: izay heverina ho tsara sy mamy, isentoana fa tsy hiverina intsony; ny ratsy sy mangidy, efa mangidy rahateo ka vao mainka ahalahelovana. Tsy misy afa-tsy ny fiatrehana ny misy sy ny ankehitriny ary fibanjinana ny hoavy no mahasoa? Na izany aza, natao akana lesona ny lesoka tamin’ny lasa. Izay no anaovana tombana. Miainga amin’izay no amaritana sy anitsiana ny hoavy mba tsy handehanana anjamba.
Ny tsy fahalalana ny lasa na ny tantara, ohatra, no anisan’ny mahavery voadia amin’ny hoe: hanao inona, ho aiza… ? Izay no mampihodinkodin-dava eo amin’ny tantara. Ohatra amin’izany ny krizy politika miverimberina? Misy aza ny minia mamerina ny lasa fa izay no hoe nahombiazana. Dia sasatry ny miarina fa tsy hita mazava izay tena fivoarana. Miharatsy no ho ny teo aloha aza fa tsy tafarina tanteraka akory ny faharavana sy ny fatiantoka tamin’ny fahavoazana teo aloha dia miditra amin’ny manaraka hafa indray… Mandra-pahoviana? Tena misy ve ny fahatapahan-kevitra hiova sy hanova sa miandry fotoana amin’ny ampitso ampitso lava?
Ny ela manova zavatra? Fa mila mijery lavitra koa amin’izay atao… Izay mioty manta no ho leony. Ilaina ny faharetana sy fiaretana, saingy tsy anaovana ampitso ampitso lava tsy misy farany. Taona iry, iry ny lalàna; taona ito, ito ny lalana; taona itsy, itsy ny lalàna… Tokony hitondrana fiovana sy fanovana ny taona vaovao, fa tsy avela amin’izao. Asiana lanja sy dika ny fahavelomana, ny tombon’andro, ny fahatanjahana… Mirary fahatrarana ny taona vaovao ho antsika rehetra! Fa misy lanja amam-bidy ny tombon’andro, tokony hasiana dika…
R. Nd.