Mandrosoa Ivato : Sinoa nahatrarana cocaïne tao anaty hotely

Tratra niaraka tamin’ny zava-mahadomelina mahery vaika (Cocaïne) tao amina trano fandraisam-bahiny iray eny Mandrosoa Ivato, omaly, ny teratany sinoa iray 49 taona. Nahazo fampitam-baovao mialoha ireo zandary miasa sy manao asa fisafoana eny Mandrosoa Ivato, momba ny fisian’ity sinoa mpanao trafikana cocaïne ity. Mipetraka ao amina hotely iray izy io, araka ny tatitra voarain’ireo zandary. Nidina haingana teny an-toerana nijery ny zava-misy ny zandary notarihin’ny lefitry ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarmaria Talatamaty. Voamarina tokoa ny fisian’io sinoa mpanao trafikana zava-mahadomelina io. Nivahiny tao amin’ilay trano fandraisam-bahiny ilay teratany sinoa, saingy tsy nahafantatra ireo tomponandraikitra fa hay mpikirakira zava-maha­domelina mahery vaika izy. Niditra nanao fisavana ny toerana misy azy ny zandary, kanjo nitsoaka tampoka tao an’efitrano laharana 312 izy. Tsy lasa lavitra anefa izy fa voasambotr’ireo zandary sasany niandry teny ivelan’ny trano. Hita tao an’efitrano nipetrahany, nandritra ny fisavan’ny zandary, ny fitaovana fitsindromana, harona plastika niaraka tamin’ny vovoka cocaïne. Nentina namonjy ny biraon’ny zandary izy hanaovana fanadihadiana.

Jean Claude

Partager sur: