Miadana Fabien Privat : “Fampiharan-dalàna no hisian’ny fifampitokisana”

“Ny olana: lasa mametraka tsy fahatokisana mialoha avokoa ny lisitra kandidà. Nefa matoa miroso amin’ny fifidianana, mila miroso amin’ny ara-dalàna hatramin’ny farany”.

Io ny fanehoan-kevitry ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, amin’izao fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly izao. Ny fampiharana ny lalàna tsy mi­tongilana no ahazoana mamerina ny fifampitokisana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Ny olana: saika mahazo tombony hatrany amin’ny raharaham-pitsarana fifidianana izay miara-dia amin’ny fitondrana, na iza na iza mpitondra eo. Nefa tena manao fitoriana tokoa ve ny andaniny? Fa tsy variana milalao ny hevitry ny olona amin’ny fanoherana voka-pifidianana.
Rehefa misy tsy fahatomombanana, tokony hifantoka amin’izay fanarahan-dalàna izay: fanaovana fitoriana. Misy an’izay hoe hosoka sy hala-bato izay ao anatin’ny raharaham-pifidianana. Amin’ny ankapobeny, samy manao izay hahavoafidy azy ny tsirairay na amin’ny fomba inona na inona. Matetika, izay resy no mimenomenona hoe mitongilana ny fitsarana. Ahoana ny hamerenana ny fifampitokisana amin’ny ankapobeny? Ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana, ohatra, dia ahitana taratra hoe tsy matoky koa ny olom-pirenena fa tsy ny mpanao politika ihany. Iza no manana ny rariny? Lasa milalao ny hevitry ny olona sisa ny mpanao politika amin’izay manana olona manaraka be indrindra. Lasa hadino ny ara-dalàna amin’ny fitoriana, fitadiavana porofo… Izay no nametrahana delege amin’ny fifidianana, ny fahazoan-dalàna miditra amin’ny biraom-pifidianana…

R. Nd.

Partager sur: