Taolagnaro : Mankalaza ny faha-20 taonany ny fikambanana Hoavign’Anôsy

Feno 20 taona ny fikambanana Hoavign’Anôsy ary nikarakara ny « Festival Sambaraha » makotroka tao Taolagnaro. Fotoana nanehoana firaisankina sy fampandrosoana ny faritra.

Nandritra ny hefarana, tamin’ity faran’ny taona ity, no nanatanterahina ny “Festival Sambaraha” tao Taolagnaro. Andiany fahafito ny hetsika ary nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny fikambanana Hoavign’Anôsy Miatriky, izay namorona ny hetsika rahateo.
Fikambanan’ireo mpianatra mandranto fianarana any ivelan’ny faritr’Anôsy ny Ho­avign’Anosy. Misandrahaka amin’ny faritra rehetra ary hatrany ivelan’i Madagasi­kara, satria misy ireo za­nak’ Anôsy milaravinahitra any.
Tanjon’ny hetsika ny ha­namafy ny firaisankina sy ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fampandrosoana sy fanetsiketsehana ny tanànan’i Taolagnaro.
Sambaraha dia midika hoe mijery zavatra na mandalin-javatra. Tanjon’ny hetsika koa ny fanasongadinana ny faritra Anosy eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, zavakanto, fanatanjahantena ary ny fizahantany sy ny taozavatra… Tafiditra ao anatin’ny hetsika avokoa izany. Manan-karena i Tao­lagnaro ary anjara birikin’ny fikambanana ny manasongadina izany amin’ny alalan’ny hetsika toy izao. Efa nanao hetsika ara-tsosialy maro ny fikambanana nandritra ny 20 taona niorenany.
Nanao antso avo amin’ny firaisankina ny fikambanana mba hahatontosa ny festival sy hampaharitra izany.
Ny federasiona tarihin’i Shabani Nourdine, izay so­lombavambahoaka voafidy tao Taolagnaro, no anisan’ny nanana andraikitra fototra tamin’ny fametrahana izany.
Ny festival koa dia notro­nin’ny mpiahy ny Sambaraha, Rakotovelomanantsoa Voa­hary, governoran’ny faritra Anosy. Nanamafy ramatoa governora fa zava-dehibe izao hetsika izao amin’ny fanandratana ireo kolontsaina ao amin’ny faritra sy hampan­droso ny fizahantany.

Tatiana A

Partager sur: