Ananan’ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fomba amam-panao malagasy ny mpikaroka. Tany alohan’ny taona 1975, saika vahiny ny ankamaroany. Taty aoriana, nipoitra tsikelikely ny mpampianatra teny amin’ny Oniversite… Amin’izao vanim-potoana izao, mitombo isa fatratra ny mpikaroka.
Mba tsy ho very momoka ny asa ataon-dry zareo ireny, manomboka amin’io taona 2025 io, mila omena lanja izy ireny. Fomba iray anisan’ny hametraka ny voka-pikarohana eo amin’ny toerana sahaza azy ny fampiasana izany. Hoentina an-tsehatra. Hianarana any an-tsekoly. Lalaovina eny an-kianja, sns.
Tsy hanimbana ny fototra
Na maika aza ny fanomezan-danja ny mpikaroka sy ny voka-pikarohana. Mila fitandremana fatratra izy ireny mba tsy hanimba ny fototra. Ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fomba amam-panao malagasy rahateo, iray amin’ireo manaraka fatratra ny lamina voajanahary. Anjaran’ireo mahalala ihany koa ny mampahafantatra sy manatevina ny fahalalana efa ananan’ny mpikaroka. Mila mifampikasoka akaiky ny mpikaroka sy ny mpahalala.
Mety hanimba ireny voka-pikarohana ireny ihany koa ny fahosana na ny tsy fananana tanjaka amin’ny toekarena. Tranga mahazo ny tany « voazanaka » izy io. Taona 2025, raha mbola marefo ny fiharian’ny Malagasy, mbola hiasa maina ihany ny mpikaroka.
HaRy Razafindrakoto