Lanonana maro no handravaka ireo trano fanaovana fety eto Antananarivo Renivohitra, amin’ity anio ity. Anisan’izany ny ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny eny amin’ny Gare Soarano, ao amin’ny PK 0 Soarano, eny amin’ny Kudéta Anosy, Yandy By -Pass ary ao amin’ny Panorama Andrainarivo… Mpanakanto fanta-daza maro no hanafana ny sehatra amin’ireo toerana ireo.
Tsy ambakan’izany koa ny amin’ny trano fanaovana lanonana ivelan’Antananarivo Renivohitra. Iandrasana ny taona vaovao ihany koa ny eny amin’ny CCI Ivato, SK Melody Mandriambero, Résidence Mioty soa Alasora, Calabria Ambohimamory Itaosy. Samy hanana ny mampiavaka azy ireo ary efa vonona ny mpanakanto mpandray anjara sy ny mpikarakara hanome ny tsara indrindra.
Hahazo tombony manokana ireo mpankafy hatsikana, indrindra ny Stand Up. Hisy ny seho an-tsehatra iarahana amin’ny Raytra Belaw’Yck, Lanja Babeine, Ely Nomenjanahary ary Tsiresy. Anio manomboka amin’ny 6 ora hariva, eny amin’ny Trano Fotsy Ankazomirihotra no hanaovana izany. Ankoatra azy efatra mirahalahy, hisy vahiny nasaina manokana handravaka ny hetsika.
Ao anatin’ny fampiroboroboana ny Beat Box eto Madagasikara ireo mpiangaly sy tomponandraikitra amin’izany, ankehitriny. Ny Malagasy izay mahafehy sy manana ny maha izy azy amin’ity taranja ity, raha ireo fifaninanana nasionaly natao no jerena. Misy ny fanentanana isan-karazany ataon’ny tomponandraikitra amin’ireo mpanan-talenta sy ny mpiara-miombon’antoka maro ho fampivelarana ny Beat Box.