Tetikasa Purpa: Nanohana mpamo­katra maherin’ny 115 900

Maherin’ny 115 900 ireo mpamokatra manerana ny faritra 20 nisitraka tohana avy amin’ny « Projet d’urgence de renforcement de la production alimentaire à Madagascar » (Purpa) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hatramin’ny nisiany teto Madagasikara, ny taona 2022. Nanamafy ny rafi-pambolena tamin’ny alalan’ny fanatsarana ny famokarana masomboly sy ho fampiroboroboana ny famokarana sakafo eto amintsika ny tetikasa nandritra izay roa taona izay. Mamatsy vola ny tetikasa ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) kosa ny fanatanterahana ny asa. Kendrena ny hampiroborobo ny famokarana vary sy katsaka ary varimbazaha sns, hampihenana ny fanafarana vokatra avy any ivelany. Hetsika mifandraika amin’ny paikady apetraky ny minisitera amin’ny fanodinam-bokatra hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany.

Andraikitra

Tanjon’ny Purpa ny hanatsara ny masomboly, amin’ny alalan’ny fanohanana ny Fofifa sy ny Fifamanor hamokatra masomboly tsara kalitao, izay hampitombo ny velaran-tany hambolena. Manohana ny « Service officiel de contrôle des semences et matériel végétal » (SOC) ihany koa ny tetikasa hampitomboana ireo mpanara-maso ny masomboly ao amin’ireo faritra 20 iasany. Hetsika atao mba hahazoan’i Mada­ga­sikara ireo masomboly voafantina sy manara-penitra. Kendrena ny hampitombo ny vokatra amin’ny fampitaovana ireo tantsaha. Hiara-miasa amin’ny Tahirim-bola fampandrosoana ny famokarana (FDA) sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa kosa ny fizarana ireo fitaovana ho an’ny tantsaha.

Henintsoa H.

Partager sur: