Mitohy foana ny fandripahana ny harena voajanahary. Tra-tehaky ny zandary ny 27 desambra teo koa, tany Antaratasy Ivoloina, Toamasina, ny kamiao miisa telo nitondra hazo tsy ara-dalàna. 341 ny voamboana nentiny sy hazoala nanto miisa 264. Sambo avy any Mananara Avaratra no nitondra ireo hazo ireo, ary nampidirana tanaty kamiao tany Foulpointe. Miisa 8 ny olona voasambotra, niaraka tamin’ireo hazo, ka
anisan’izany ny tompon-kazo sy ireo mpamily ny fiarabe. Nogiazana avokoa ireo rehetra ireo. Manao ny fanadihadiana ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana, Dredd Atsinanana, sy ny zandarimariam-pirenena. Hatolotra ny fitsarana ireo voampanga aorian’izany.
Manamafy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra fa tsy andeferana mihitsy ny fandripahana ny harena voajanahary toy izao. Ankasitrahana ireo nanome ny vaovao, ary ampirisihina ny rehetra hiantso ny laharana maitso 955 rehefa mahita na mahalala tranga toy izao.
Njaka A.