Fahombiazana ny andiany voalohany tamin’ilay tetikasa “Talent Development Scheme” (TDS), taranja baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny U15, natao tany Antsirabe. Fihaonana nanaovana tomban’ezaka teo amin’ireo ivontoerana telo, Toliara sy Mahajanga ary Antsirabe.
Nifarana tany Antsirabe, ny sabotsy 28 desambra lasa teo, ny andiany voalohany tamin’ilay “Tournoi meilleurs contre les meilleurs”, taranja baolina kitra. Fandaharan’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Talent Development Scheme” (TDS), izay hitiliana sy hampivoarana ny tanora manan-talenta latsaky ny 15 taona.
Nandray anjara tamin’izany ireo ivontoerana mampianatra baolina kitra miisa telo dia ny ao Antsirabe sy Mahajanga ary Toliara, niampy ny Barea de Madagascar, sokajy U15. Fahombiazana ny zava-nisy tany an-toerana satria nahitana talenta vaovao teo amin’ireo ankizy nihaona.
Tsiahivina fa tsy fifaninanana nahazoana amboara na anaram-boninahitra akory ny “Tournoi meilleurs contre les meilleurs” fa fanaovana tomban’ezaka ho an’ireo teknisianina, eo anivon’ny federasiona malagasy (FMF) sy ireo mpanazatra sy mpanabe eo anivon’ireo toerana mikolokolo kilonga.
Ankoatra izay, mijery ny vokatra ireo ivontoerana telo ireo isaky ny fiafaran’ny taom-pianarana ka ajanona izay ankizy tsy maharaka ary mampiditra vaovao indray. Fepetra takin’ny Fifa ao anatin’izany ny mba ho ankizy mianatra avokoa no misitraka ny TDS.
Tanjona amin’ity tetikasa ity ny hahazoana mpilalao hobeazina ao amin’ilay Académie fédérale hatsangana eny Carion, amin’ny taona ho avy. Nizarana fitaovana enti-mampianatra, toy ny baolina, fanamiana sy ny hafa, avy amin’ny Fifa ireo ivontoerana telo ireo. Dingana manaraka ny amin’ny fialantsasatry ny Paska ka miandry ny fiavian’ny teknisianina avy amin’ny Fifa hijery ny zava-bita tamin’ity dingana voalohany ity, vao ho fantatra izay handray izany na Mahajanga na Toliara.
Tompondaka