Hentitra amin’ny fanaraha-maso ny tsena ny avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Tanjona ny hiarovana ny mpanjifa manoloana ny mety ho fanararaotana amin’ny endriny samihafa. Miparitaka manerana ny Nosy ireo mpanara-maso ka jerena akaiky ny entana amidy mba ho entana tsara kalitao. Jerena sao entana efa lany daty na koa misy hosoka izany. «Andraisana fepetra avy hatrany raha misy tratran’ny mpanara-maso», hoy ny talen’ny fiarovana ny mpanjifa, Rakotonirina Dina. Jerena ny vidiny hisorohana ny fampisondrotana tsy ara-drariny. Atao izany mba hifampitsinjovan’ny mpivarotra sy ny mpanjifa, araka ny fanazavana voaray. Efa nentanina nandritra ny volana vitsy ireo mpivarotra hanao ny asany ara-drariny. Nampianarina azy ireo tamin’izany ireo fepetra mifehy ny asa varotra haha matihanina azy.
Henintsoa H.