Anosizato Atsinanana: Lehilahy maty notrongisin’ny fiara

Mpandeha an-tongotra namoy ny ainy voatrongin’ny fiara teny Anosizato Atsinanana, ny alin’ny faran’ny taona teo. Fiara an’olon-tsotra nikasa hamonjy fodiana any Ankaditany nandeha mafy. Tsy fantatra mazava ny nahazo ny mpamily. Nandeha mafy loatra ny fiara nentiny ka tsy voafehy ny familiana. Lehilahy iray voafaoka teo no ho eo. Niptika teny amin’ny arabe, naratra mafy ka niala aina teo no ho eo izy. Tsy vitan’io, nivadibadika nivoaka ny lalana ilay fiara tra-doza. Olona miisa telo no tao anatiny. Samy naratra mafy izy ireo ka anisan’izany ilay mpamily. Niezaka namonjy ireo naratra ny nanatri-maso ka nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana, hopitaly HJRA. Tsy afa-nialana nenina intsony ilay lehilahy voadona ka namoy ny ainy.

Fandehanana mafy

Mbola vokatry ny fandehanana mafy ihany, mpandeha moto iray maty tsy tra-drano nifandona tamin’ny fiara teny Tsarasaotra, omaly 1 janoary. Nanao taingin-droa, nifandona tampoka tamin’ny fiara nifanoha-dalana taminy ilay moto. Maty teo no ho eo ny iray tamin’ny mpitaingina ilay kodiarandroa raha toa ka naratra mafy ny iray. Voatery nentina hopitaly ity farany namonjena ny ainy. Potika tanteraka ilay moto scooter sy ny lohan’ilay fiara.Marihina, matetika fotoana hitrangan’ny lozam-pifamoivoizana ny vaninandro fiantombohan’ny taona tahaka izao ka ilana fahamailoana sy fitandremana ho an’ireo mpampiasa ny arabe.

Tsiferana R.

Partager sur: