Mandroso ny asa fanarenana ny lalana tena ratsy any amin’ny lalam-pirenena faha-33, miainga eo Andranofasika (RN4) mankany Ambatoboeny, hatreo amin’ny « radier », mirefy 20 km. Anisan’ny asa hatao ny fanamboaran-dalana sy ireo fotodrafitrasa toy ny fanarenana ny sisin-dalana sy ny tatatra ary ny lakandrano (dalot). Mihafara amin’ny fandrakofana godirao ny lalana ny tanjon’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP).
Manatanteraka azy ny orinasa Fami ary mamatsy vola izany ny Tahirimbola ho an’ny lalana (Fonds routier) avy amin’ny fanjakana malagasy.
Nijery ifotony ny fivoaran’ny asa tany an-toerana, ny 30 desambra 2024 teo, ny teknisiana avy ao amin’ny Laboratoaram-pirenena misahana ny asa vaventy sy ny fanorenan-trano (LNTPB). Nanotrona azy ireo koa ny ekipan’ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Boeny. Nojerena akaiky ny kalitaon’ny asa efa mandeha. Nisy ny fivoriana niarahan’izy ireo tamin’ny orinasa Fami, taorian’ny fitsidihana. Nifanarahana fa hanampy ny fitaovana tsy ampy rehetra ny orinasa, entina hanatsarana ny kalitaon’ny asa.
Hamaha olana maro any an-toerana ny fahavitan’ity lalana ity, satria manamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Toerana tena mamokatra ny any Ambatoboeny, raha tsy hitanisa afa-tsy ny vary, ny voatabia, ny voamaina, sns. Hidina koa ny vidin-javatra, rehefa vita ny lalana.
Njaka A.