Mandroso ny taona. Tokony handroso manaraka izay ihany koa ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Ny tsy vita, mila vitaina. Ny vita, hatsaraina… Mbola maro ny asa miandry !
Sehatra anisan’ny midadasika be ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. I Madagasikara rahateo itoeran’ny «tsimanampaharoa» raha momba ireo. Maro be ny asa tanterahina, raha tiana ny hanana kolontsaina mandroso. Ho an’ity taona 2025 vao manomboka ity. Tsy anjaran’olona tokana na fikambanana iray, na sampandraharaha vitsivitsy ny manatanteraka ireo asa maro be miandry. Mila fiaraha-mientana sy fahaiza-miaraka izany.
Anisan’ny efa asa goavana ny fialana amin’ny fahazaran-dratsy sy fihetsika manetry ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Mandiso fotoana amin’ny seho sehatra. Boky feno tsipelina diso. Fanamafisam-peo midridroka. Mpihira mandiso tononkira. Mpitendry zavamaneno, mamalana. Mpahay tantara, mandiso ny aloaky ny vavany na ny soratan’ny tanany…
Tsy liam-pandrosoana?
Matetika, ny lesoka nandritra ny taona nivalona ihany no iainana sy iverenan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy, amin’ny taona diavina. Tsy mahay misintona anatra (maka lesona) amin’ny zava-niseho. Miaina ny mandeha ho azy… Fihetsika miverimberina azo adika ho fanisatra tsy mampandroso sy tsy mampivelatra ny kolontsaina sy ny zavakanto, hatramin’izao.
Mila esorina ao amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy fa tsy ilay laza mandalo ao anatin’ny fotoana fohy no midika ho fandrosoana. Noho izany, asa miandry goavana be ny fanovana toe-tsaina afaka mitsinjo lavitra sy tsy manimba ny soatoavina malagasy.
Anisan’ny asa miandry ihany koa ny fanekena ny hianatra ho fanatsarana ny efa vita hatramin’izay. Samy ahitana io lesoka mila harenina io avokoa na ny kolontsaina na ny zavakanto malagasy. Misy ny talenta, saingy, ny eo ihany no eo, noho ny tsy fahampian’ny fianarana.
HaRy Razafindrakoto