Fahasahiran’ny ray aman-dreny amin’izao fotoana izao ny mitady mpikarakara ny zanany. Noho ny fitadiavana isan’andro dia tsy manam-potoana ho an’ny ankizy izy ireo. Manoloana izany, efa misy ny fikambanana manome tolotra mifanaraka amin’ity karazana filana ity. Anisan’ ireny ny Fikambanana mikarakara zokiolona sy miahy ara-tsosialy eto Madagasikara (Fimibeama) eny Ambodivondava Alasora. Fikambanana manana traikefa tao anatin’ny 15 taona sy azo antoka satria mijoro ara-panjakana.
“Ekipa nanaraka fiofanana sy fianarana asa ary manana traikefa tao amin’ny foibe Fimibeama no omena ireo mpitady tolotra”, hoy ny mpiandraikitra, i Nomena Fahefana. Nampiavaka azy ireo hatramin’izay ny fikarakarana ny zokiolona. Mandalo amin’ny salan-taona rehetra anefa ny fanomanana ny fizokiana ka mendrika ho jerena ny momba ny zaza sy ny ankizy.
Nosantarina tamin’ny fandefasana mpanabe hikarakara zaza any an-tokantrano ny taona 2024. Sady mpanabe no mpikarakara ilay olona atolotra. Manana fahaizana manokana amin’ny fikarakarana zaza sy ny zon’ny ankizy izy ireny. Efatra isan-kerinandro ny tokantrano mitady ny tolotra. Havaozina isaky ny iray volana ny fifanarahana amin’ny fikambanana.
Misy koa ireo ray aman-dreny voatery miala ny tokantrano noho ny asa ka mandefa ny zanany eny amin’ny foibe; andraikitr’ireo olona manokana no misahana ilay zaza iray manontolo, araka ny fanazavana.
Vonjy