INDRAY MIJERY

Nofanina momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy ny mpiantsehatra 26 avy amin’ny distrikan’i Toliara, Sakaraha, Betioky ary Ampa­­ni­hy, faritra Atsimo Andrefana. Nikarakara ny hetsika ny mpiandraikitra ny VBG eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina niaraka amin’ny UNFPA sy ny Fisa. Nanohana koa ny Brigade féminine de Proximité ao Toliara.

Tonga nitsidika ireo voafonja ao amin’ ny fonjaben’i Marofoto Mahajanga ny ekipan’ ny fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny firaisankina ao Boeny. Nanome tohana sakafo sy moraly ary fankaherezana niaraka amin’ny fitaovana izy ireo. “Nouille”, kapa, “kit de dignité” biscuit, dentifrice sy borosy nify, ventillateur no natolotra ireo voafonja. Nomena koveta sy sira amin’ny gony hampiasain’ ny fonja.

Nisitraka ny vola fampandehanana ny raharahan-tsekoly ireo EPP sy CEG eo anivon’ny Cisco Anta­nanarivo Avaradrano. Nahazo ny vola tantsoroka an-tsekoly natokana ho azy koa ny Lycée. Nandray ny vola fampandehanan-draharaha an-tsekoly ireo EPP anivon`ny Cisco Anjozorobe, ka ny ZAP Anjozorobe I sy II, ny ZAP Ambongamarina I sy II, ny ZAP Ambohimirary, Marotsipoy ary Andranomisa no nisantatra izany.

Efa tafakatra 850 Ar ny vidin’ny atody akoho iray ao anatin’ny fotoana fanamarihana ny fety. Akora be mpampiasa indrindra izany amin’ireo karazan-tsakafo isan-tokatrano sy eny amin’ny trano fisakafoana.

Partager sur: