Naiditra am-ponja ny 12 mianadahy tamin’ireo 14 voarohirohy ho mpanao trafikan-kazo. zandary ny telo ka kolonely ny iray. Miampy sivily miisa sivy mianadahy izany.
Natolotra ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ao Toamasina, ny olona miisa 14 mianadahy, ny talata 31 desambra 2024. Voasaringotra tamin’ny fahatrarana hazo voamboana tsy manara-dalàna izy ireo. Taorian’ny fihainoana ny antontan-taratasin’ady dia nalefa tamin’ny mpitsara mpanao famotorana lalina izy ireo. Vokany, naiditra am-ponja ny 12 mianadahy. Afaka nody ny olona roa.
Zandary ny telo tamin’ireo naiditra am-ponja ka ny iray dia manamboninahitra kolonely. Voalaza fa miasa ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly izy ity. Irakiraka nandray baiko fotsiny kosa ny roa lahy, nasaina niambina sy nanao andrimaso ny fitaterana. Migadra miaraka amin’izy ireo ny vehivavy tompon’ny entana.
Loham-piampangana hanenjehana azy ireo ny tsy fisian’ny fahazoan-dalàna hanapaka hazo, ny tsy fisian’ny fahazoan-dalàna hitatitra ireo hazo niainga avy any Mananara Avaratra hatrany Toamasina.
Nentina tamin’ny sambo…
Tsiahivina, nisy hazo voamboana nentina sambo niala tao Mananara Avaratra, ny alarobia 25 desambra teo. Niantsona tao Foulpointe, ny sabotsy 27 desambra vao maraina. Naiditra anaty kamiao miisa telo. Nandritra an’io, efa tonga teo ny zandary roa lahy hanao ny fangatahana ny kamiao telo “escorte”. Ankilany, nahatsikaritra ny tsy maha ara-dalàna ny hazo ny komandin’ny borigady ao Foulpointe. Nampandrenesina ny komandin’ny kompania sy ny vondron-tobim-pileovana. Nandefa zandary hanaraka ny lalam-pirenena fahadimy nanamarina ilay tranga ireto farany. Vokany, sarona teo amin’ny fokontany Antaratasy, 40 km mivoaka an’ i Toamasina ny kamiao telo mitondra voamboana miisa 341 sy hazo hafa miisa 264. 14 mianadahy niara-voarohirohy ka niafara tamin’ny famonjana.
Sajo