Oniversiten’i Fianarantsoa: Nametrahana ny tetikasa Madatlas

Anisan’ny misitraka ny tetikasa Madatlas ny Oniversiten’Andrainjato. Angady nananana izany ny Fandaharanasa “Partenariats académiques Afrique-France”.

Oniversite iray hanatanterahana ny tetikasa Madatlas ny ao Fiana­ran­tsoa. Tetikasam-panofanana iarahan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa sy ny Université de Gustave Eiffel, ny Univer­sité de Bordeaux Montaigne ary ny Institut de recherche pour le développement (IRD). Nanomboka ny taona 2021 ny tetikasa, manofana momba ny taontsarin-tany niomerika. Ma­nampy amin’ny fanavaozana ny taontsarin-tanin’i Mada­gasikara amin’ny fampiasana ny sary azo avy amin’ny zanabolana sy ny teknolojia vaovao iraisam-pirenena izany. Napetraka hifanaraka amin’ny filan’ny sehatra tsy miankina sy ny firaisamonina sivily ary ny fanjakana malagasy ny fanofanana. Hisehatra amin’ny tsenan’ny asa eto an-toerana ireo manam-pahaizana sy mpikaroka mivoaka aorian’ny fanofanana. Ankoatra izany, misy ny fampiofanana sy famolavolana tolotra ho an’ny orinasa izay tena nahitam-bokany.

Vavolombelona

Nandray anjara tamin’ny fivoriana voalohany ny fandaharanasa “Partenariats académiques Afrique-France” (PeA) ny ekipan’ny tetikasa Madatlas, ny volana desambra lasa teo. Fihaonana natao tany amin’ny Institut français de Cotonou (Bénin). Nika­ra­kara izany ny Agence française de développement, ny Cam­pus France, ny Agence nationale de la recherche (ANR) ary ny masoivohon’i Frantsa ao Bénin.
Nitondra ny anarana Par­tenariat avec l’enseignement supérieur africain ny fandaharanasa teo aloha. Mamatsy vola ny fiaraha-miasa ho fampiroboroboana ny lalam-piofanana amin’ny sehatry ny toekarena. tanjona ny mba hahazoan’ny mpiofana ny mari-pahaizana Licen­ce, Master ary Doctorat
Nanatrika ny fihaonana tany an-toerana ireo mpitantana ny tetikasa tohanan’ny PeA sy ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny fikarohana sy ny fampianarana ambony.
Hita taratra tamin’ireo sa­hanasa samihafa ny ekipan’ny Madatlas: fijoroana vavolombelona, dinidinika ary atrikasa. Navoitran’izy ireo nandritra ny fifampizarana ny maha zava-dehibe anatin’ny tetikasa ny fanohanan’ny PeA. Teo koa ny fampiofanana sy ny fa­molavolana tolotra ho an’ny orinasa.

Vonjy

Partager sur: