Nidina kely tato anatin’ny iray volana, araka ny tatitry ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Misanda 4 873 Ar ny 1 euro ny 30 desambra 2024, raha 4 899 Ar ny 2 desambra. Efa tafakatra 4 925 Ar izany ny 10 desambra, saingy nidina indray taty aoriana.
Etsy ankilany, niakatra tsikelikely ny lanjan’ny dolara, ka lasa 4 692 Ar ny 1 dolara, ny 30 desambra 2024, raha toa ka 4 677 Ar, ny 2 desambra. Raha atao ny fampitahana, lasa 181 Ar sisa ny elanelan’ny 1 euro amin’ny 1 dolara, ny faran’ny taona teo, raha 222 Ar ny fiandohan’ny desambra.
Nambaran’ny vahiny mpahay toekarena fa zavatra fahita maneran-tany ny fitomboan-danjan’ny dolara, satria ity vola amerikana ity no hividianana solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Mitombo ny fanjifana amin’ny fetin’ny faran’ny taona toy izao. Miakatra koa ny mpanjifa vokatry ny vanim-potoana ririnina any amin’ny ilabolantany avaratra, noho ny fampiasana angovo sy herinaratra entina mampafana ny ao an-trano sy ny kojakoja samihafa ary ny herinaratra.
Njaka A.