Notolorana “certificat de participation” avokoa ireo mpitsara lalao nandritra ny fifaninanana “Agnambahy mifety” notanterahina tany Farafangana. Fifaninanana nifarana ny 29 desambra teo, nahitana taranja maro, toy ny basikety, baolina kitra ary beach-volley.
Ankoatra ny fifaninanam-pirenena efa fanao isan-taona, hikarakara “Coupe internationale de Madagascar” ny Federasionin’ny Karate-do malagasy amin’ity taona 2025 ity. Hatao ny volana jolay 2025 izany, eto Antananarivo, araka ny fandaharam-potoana.
Fifaninanana iraisam-pirenena maro no miandry an’i Madagasikara amin’ity taona 2025 ity, ho an’ny taranja basikety. Anisan’izany ny mbola handraisan’i Madagasikara ny “Africa Cup 3×3” fanindroany indray, hatao any amin’ny tapaky ny taona any.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny lalao “Fihavanana”, taranja basikety nokarakarain’ny faritra Analanjirofo. Fifaninanana notronin’ny ligy sy ny seksiona tao an-toerana. Sokajy U17 sy Open, lahy sy vavy, no nifaninanana, nandritra izany, ary nahazo ny fandresena ny USA, G7 ary ny AS plaisir.