Taona 2025: Alakamisy ny ankamaroan’ny andro tsy fiasana

Araka ny tetiandro ao amin’ny alimanaka taona 2025, mahatratra 12 andro no tsy iasana eto amintsika mandritra ny taona. Ny sabotsy 8 marsa no voalohany, hanamarihina ny Andro momba ny zon’ny vehivavy. Efa andro tsy iasana ny sabotsy ho an’ny ankamaroan’ny mpiasa ankoatra ireo sehatrasa sasany amin’ny sehatra tsy miankina. Mbola milatsaka andro sabotsy koa ny 29 marsa, hahatsiarovana ireo mahery fon’ny firenena nandritra ny tolom-panafahana ny taona 1947. Manaraka izay ny 30 marsa, alahady hanamarihin’ny olona miozolimana ny Id Al Fitre. Homarihina ny 20 avrily ny fetin’ny Paka. Alakamisy 1 mey no hankalazana ny fetin’ny asa ary mbola alakamisy koa ny 29 mey, andro fiakarana ho an’ny mpino kristianina. Zoma ny 6 jona, hanamarihin’ny miozolimana ny Id Al Adha. Manaraka ny 8 jona, pantekoty. Ala­ka­misy koa amin’ity taona ity ny 26 jona; hahatsiarovana ny fiverenan’ny fahaleovantena ny taona 1960. Mbola alakamisy ny 15 aogositra, andro niakaran’i Masina Maria any an-danitra ho an’ny mpino katolika. Andro sabotsy ny 1 novambra, fetin’ny olomasina ary alakamisy koa ny andron’ny noely amin’ity taona ity.
Milatsaka alakamisy ny ankamaroan’ny andro tsy iasana.

Vonjy

Partager sur: