Hitondra soa sy fanambinana anie ny taona vaovao. Izay mandrakariva ny faniriana sy firariantsoa isaky ny tonon-taona toy izao. Eo koa ny hoe ho taon-jina, ho taom-pahombiazana, ho taom-pahasambarana… Ho tonga sy ho tanteraka ho azy amin’izao ve izany rehetra izany? Raha ny marina, tsy ny taona no hitondra soa sy fanambinana ary fahombiazana, fa ny tena miasa no hitondra izany ho amin’ny taona vaovao diavina. Mila manova ny fomba fiasa izany? Izay no hoentina amin’ny taona vaovao, fa efa lasa ny taona taloha.
Tsy ho tsara lavitra ho azy amin’izao no ho ny omaly ny anio, raha tsy misy fiovana sy fanovana. Eo amin’ny fomba fiasa izany, eo amin’ny ezaka sy fahavononana mila mafimafy kokoa… Lanja miakatra ny fiainana! Tsy vitan’izany, mihasarotra ny taona fa tsy mihamora. Arakaraka ny atao sy vita ihany no hitondrana soa sy fanambinana ary fahombiazana ho amin’ny taona vaovao; eny, na toy inona faniriana sy firarian-tsoa. Tsy misy inona tonga ho azy amin’izao. Manomboka eo amin’ny fanapahan-kevitra hiova sy hanova ny ho fahombiazana na ho fahavoazana.
Tsy inona ny firariantsoa fotsiny fa naman’ny fanaovana ariary zato am-pandriana? Na be famaritana, na fiandrasana ny tontolo na ny hafa hiova… Inona no mety ho vitan’ny tena? Na ny azo tanterahina miandalana avy hatrany… Tsy misy ny tonga tsy niainga, na ny mandresy tsy miady… Miankina amin’ny fanapahan-kevitra izay, firosoana amin’ny fanatanterahana ny fanamby, ny fahazotoana sy ny fitozoana… Tsy latsaka an-dalana, tsy mitakerikerika na miverin-dalana… Tsy moramora izany fa sarotra sy mafy ny miala amin’ny mahazatra sy fanao. Saingy tsy maintsy atomboka fa tsy manao ampitso ampitso lava… Alao hery dieny vao manomboka ny taona.
R. Nd.