VAOVAO TAMBATRA

Hapetraka eny amin’ny PK 0 (lalambe migodana) Tsarasaotra ny toby herinaratra avy amin’ny masoandro. Hanana tanjaka 50 MW ity fotodrafitrasa ity, hanampy ny vokatra herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Ho vita mialoha ny aogositra 2025 ity fotodrafitrasa lehibe ity.

Miisa 1 500 ny zana-kazo novolen’ny mpino katolika, diosezy Fianarantsoa, natao tany Ambatofi­toerankova, ny 31 desambra teo. Mifandraika amin’ny fanatanterahana ny hetsika « Diosezy maitso » napetraka izany. Teny filamatra noraisina ny hoe « Vita batemy aho, mihavana amin’ny tontolo ». Mbo­la hitohy ny fambolen’ny paroasy.

Nahatratra 115 ireo nanaraka fiompiana miompy trondro an-dranomamy tany Ambilobe, faritra Diana, ny 28 desambra teo. Fiofanana notarihin’ny fi­tan­tanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Diana, niaraha-niasa tamin’ny Vondrona manampahaizana Ambilobe (Ginoa) sy ny sekoly ambony IST Antsi­ranana.

Mirefy 2 km ny lalana hamboarina any Ambila Manakara, faritra Atsimo Atsinanana. Mana­tanteraka azy ny fandaharanasa Defis, vatsian’ny Fida ara-bola, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena. Tena ilain’ny tantsaha any an-toerana ny fahavitan’ity lalana ity satria miantoka ny fanarenana ny tohodrano manondraka ny tanimbary any an-toerana.

Partager sur: