Zava-mahadomelina : Rongony 600 kg nogiazana

Rongony 600 kg nodorana teo anatrehan’ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra voakasika tao Antsohihy, ny 31 desambra lasa teo. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina anatin’io distrika io, nanao hetsika manokana hamongorana ny mpanamparitaka rongony ny zandary. Gony maromaro tra-tehaky ny ekipa tarihin’ny komandin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy. Nogiazana avy hatrany ireo entana ireo izay voamarina fa zava-mahadomelina nokasaina haparitaka ao an-dRenivohitra Antsohihy sy ny manodidina. Niroso tamin’ny fikarohana ny tompon’antoka tamin’ny fanampariahana ireo entana ireo ny zandary. Nodorana avokoa ireo rongony rehetra sarona. Marihina, mampirongatra ny tsy fandriampahalemana sy miteraka fikorontanana anivon’ny fiarahamonina matetika ny fiparitahan’ny rongony tahaka izao.

Tsiferana R.

Partager sur: