Zavakanto : Mila beazina ny mpanjifa

Nanjary sarotra ny mamaritra ny hoe «zavakanto»? Anisan’ny antony mahatonga izany ny gaboraraka ao anatin’ny zavakanto. Na ireo ray aman-dreny heverina fa aro riaka voalohany aza, tsy mahavita mananatra ny zanany intsony. Tahaka izany koa ny any an-tsekoly sy eny anivon’ny fiarahamonina.
Mila beazina ny mpanjifa ny zavakanto. Ampahafantarina azy fa izay manary ny hasin’ny soatoavina, tsy kanto. Ambara aminy fa tsy tokana ny soatoavina eto Madagasikara. Noho izany, mila mifanaja. Raha ireo roa ireo no tafapetraka any amin’ny mpanjifa ny kanto, tsy ho lasa lavitra ireo mpanao tefy maika.
Tato anatin’ny folo taona, nihena sy nidina ny fahaizan’ny Malagasy manavaka ny kanto sy ny «kisarintsarina kanto». Mahavariana fa ireo izay nahafantatra sy niaina tao anatin’ny kanto manaja ny soatoavina aza, tsy nahatazona izany intsony. Tranga hoenti-manamafy fa mila beazina ny mpanjifa ny zavakanto. Mpanabe tsara indrindra ireo raiamandreny mahafantatra ny soatoavina eo amin’ny misy azy (ankohonana, toerana, faritra…).

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: